- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversOrinasa Tiko AAA : Miantso ny tompon’adraikitra hitady marimaritra iraisana

Orinasa Tiko AAA : Miantso ny tompon’adraikitra hitady marimaritra iraisana

Nanomboka ny Alatsinany maraina, dia efa feno « tract » ny tanànan’Antsirabe, mitaky ny hanokafana tsy misy hatakandro ny oriasa Tiko AAA ao Andranomanelatra ; izay nakaton’ny fanjakana rehefa mba  niverina nihodina nandritra ny herin-taona sy tapany. Ankoatra izay, rakotra sora-baventy ihany koa ny fefin’ny orinasa manamorona ny lalam-pirenena fahafito, mitaky ny hanokafana ny orinasa.  Aman’arivony mantsy  ireo mpiasa no lasa tsy an’asa tampoka vokatr’io fanakatonana ny orinasa io. Nanomboka nitaky ny hanokafana indray ny orinasa ny  mpiasa, ny Talata 31 Oktobra lasa teo rehefa niato kely taorian’ireny hetsika nafampana ireny. Nifampitaona teny anoloan’ny orinasa ny andiana mpiasa maromaro naneho ny alahelony sy mitaky ny hanokafana ny orinasa. Orinasa Malagasy izy ity hoy ny solon-tenan’ny mpiasa ka nahoana no akatona tahaka izao. Nanamafy  Razarivo Orlando solon-tenan’ny  mpiasa fa tsy misy hidiran’ny raharaha politika mihitsy ny fitakian’ny mpiasa fa mitaky ny zony izy ireo. Mitodika amin’ny fitondrana izahay, indrindra fa ny faritra mba hijery akaiky ny hanokafana ity orinasa Malagasy ity, fa mijaly ireo tsy an’asa. Nanamafy ny hetsika nataon’ny mpiasa ihany koa ny delegasiona maromaro avy ao Antananarivo, tonga teny Andranomanelatra nanatevin-daharana ny fitakiana. Nohamafisin’ny solon-tenan’izy ireo, fa tsy misy hidiran’ny resaka politika mihitsy ny fitakiana. Isan’ny nanaitra ny filazana fa tokony hitady marimaritra iraisana amin’ny fanjakana ireo tompon’andraikitra  isan- tsokajiny ao amin’ny orinasa Tiko ka hitady vahaolana haingana. Tokony tsy hisy tombo sy hala ny fanakatonana orinasa rehefa  misy ny tsy  ara-dalana, hoy ihany ny fanazavana fa tokony hakatona avokoa rehefa orinasa tsy manara – dalàna, fa nahoana ny Tiko AAA ihany no nakatona? Nilaza ny handom-baravarana any amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta moa ireo solon-tenan’ny mpiasa raha toa ka  mbola tsy misy vahaolana ny fitakiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici