- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Antsirabe : Polisy monisipaly 26 nahavita fiofanana

Kaominina Antsirabe : Polisy monisipaly 26 nahavita fiofanana

Niampy 26 ny polisy monosipaly eto amin’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra. Tontosa ny faraparan’ny herinandro lasa teo ny famoahana ny andiany misalotra ny anarana TEFI. Marihina fa 34 no isan’ireo nanaraka fiofanana tany am-boalohany, ny 29 tamin’izy ireo dia mbola zazavao ny 5 kosa no efa tranainy. Ny 7 no voatery niala an-daharana fa tsy nahazaka ny fiofanana teny anelanelam-ptoana, nisy kosa no neserona fa tsy nahazo ny salan’isa mihoatra na mitovy tamin’ny isa 10 nandritra ny fanadinana farany. Marihina fa tao amin’ny ENIAP na sekoly fanofanana ho inspecteur sy agent de police eto Antsirabe  ireo polisy monisipaly ireo no nanaraka fiofanana nandritra ny 43 andro, ka ny 20 andro fiofanana fototra ny ambiny kosa fampiharana anaty efitrano.  Isan’ny taranja niofanana’ireo polisy kaominaly ireto ny ady amin’ny kolikoly, ny fiarovan-tena, ny fifamoivoizana ary ny fitsinjarana ara miaramila. Ny mari-pahaizana bakalorea no notakina tamin’ireo polisy monisapaly ireo, fantatra anefa fa ny roa amin’izy ireo manana bacc +2, raha toa ka manana licence kosa ny roa hafa.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici