Hatairana ny an’ny rehetra indrindra fa ireo mpanara-dia sy mpino ao amin’ny fiangonana Fmfoi, raha nandre fa nalefa eny Antanimora, omaly hariva ilay mpitondra fivavahana, namorona ity vondrom-pivavahana ity, ny Apôstoly Benjamina. Raha ny angom-baovao azo dia resaka tany novidiana no nahavoarohirohy azy. Efa tamin’ny herinandro teo no tonga tao aminay ny fitarainana. Nanomboka teo ny famotorana rehetra ka nisamborana olona iray izay fantatra fa tao ambadiky ny fivarotana io tany io. Tany, izay namidiny tamin’ity pasitera ity nony avy eo. Ny talata lasa teo no nampiantsoana tany amin’ny biraon’ny zandary teny Fenoarivo, mba halaina am-bavany izy tamin’izay. Omaly kosa no vita izany ka dia natolotra ny Fampanoavana teny Anosy ity mpitondra fivavahana ity, miaraka amin’ilay olona tompon’antoka tamin’izany. Ary dia izao niafara tamin’ny fandefasana azy any am-ponja izao, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L