Novakian’ andian-jiolahy ny fiangonana tantanan’ny Loterana tao Tsarakofafa, ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy teo tokony tamin’ny 02ora maraina. Nangalarin’ireo andian-jiolahy tamin’izany ny fanamafisam-peo sy ny “synthétiseur” ary moto scooter iray. Vao nahazo antso anefa ny polisin’ny boriborin-tany faha-2 Toamasina, dia tonga ara-potoana nijery ny zava-nisy, saingy vao nahita ireto polisy ireto andian-jiolahy dia nitsoaka ka navelan’izy ireo teny an-dàlana ireto fitaovam-piangonana nangalarin’izy ireo. Tafaporitsaka tao anatin’ny haizin-kitroky ny tanànan’i Tsarakofafa kosa ireto andian-jiolahy ka tsy nisy tratran’ny polisy nanenjika azy ireo. Isany tena mahazo vahana amin’izao fotoana izao ihany koa eto Toamasina, ny resaka vaky trano, saika ny antso voarain’ny polisy raha tsy fanendahana dia ity vaky trano ity avokoa ankehitriny. Ho an’ny polisin’ny kaomisarian’i Toamasina, dia mpamaky trano efa-dahy izay mpanedaka ihany koa, no saron’izy ireo tao Ankirihiry bazary may mbola niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasany sy solosaina iray fentin-tànana avy nangalarin’izy ireo. Ny roa tamin’izy efa-dahy ireto Ra-Jim sy Heritiana dia isany efa nifampitadiavan’ny polisy noho ireo fitoriana sy fitarainana maro mikasika azy ireo voarain’ny polisy eto Toamasina, mbola misy naman’izy ireo roa hafa koa karohina. Ankoatr’ izay noho ny fitarainan’ny vahoaka ao Tanambao Verrerie mampiasa ny tetezan-kazo mampitohy ny fokontany roa noho ny ranon’i Pangalana izay tena be mpanendaka sy mpandrava vao maizina fotsiny ny andro, dia nasiana polisy hanara-maso izany manomboka izao.
Malala Didier