- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Zazavavy 13 taona nalaina an-keriny sy naolana

Sambava : Zazavavy 13 taona nalaina an-keriny sy naolana

Mafampana ny toe-draharaha ao Sambava ankehitriny. Afak’omaly, ankizivavy iray 13 taona, mpianatra kilasy 7ème no nalaina tovolahy roalahy voalaza fa zanaka mpanambola avy ao Ambatojoby an-keriny, ary nentin’izy ireo nitsoaka tamin’ny fiara, avy eo nanaovan’izy ireo filan-dratsy tamin’ny fomba mamohetra tany amina trano fandraisam-bahiny iray ao Tanambao Daoud Sambava. Mba hisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka noho ny hatezeran’ireo havan-drazazavavy, dia voatery noesorina tao amin’ny “Poste avancé Gendarmerie” Anjagnoveratra ny fanadihadiana ny raharaha, ka nafindra haingana ao Sambava renivohitra ny famotoran’ny mpitandro filaminana azy roalahy. Ny andron’ny afak’omaly io hatrany saingy tao Bevontro Sambava kosa, dia zazavavy kely iray telo taona no may kila forehitry ny afo lasa lavenona, izay tsy tafavoaka tao anatin’ ny hain-trano ny alarobia naraina teo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici