- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Lehilahy iray hita faty nihosin-drà tao anaty tatatra

Manakara : Lehilahy iray hita faty nihosin-drà tao anaty tatatra

Nitrangana vono olona nahatsiravina indray niseho tao an-tampon-tanànan’i Manakara, ny talata hariva teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo, ka lehilahy iray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hita faty tao anaty tatatra nofonosana lamba sy selofanina. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, dia olona iray sendra nanary rano harivariva mena masoandro tamin’ny tatatra tsy lavitra ny toerana nisy ny razana no nahatsikaritra zavatra hafahafa toa nihosin-drà, ka tonga dia nampandre haingana ireo mponina manodidina. Ireto farany kosa avy eo no nampiantso avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo mba hijery ny zava-misy. Rehefa nozahana ity zavatra nifono dia fatin-dehilahy tapa-tanana sy feno dian’antsy nhosin-drà efa maina. Tsy nisy nahafantatra moa ity lehilahy hita faty ity, ary tsy misy taratasy na karapanondro koa teny aminy ka vao mainka sarotra ny nahalalana ity niharan-doza. Nilaza ny ankabetsahan’ny olona fa mety novonoina tany amin’ny toeran-kafa ity rangahy ity vao nariana teo amin’io tatatra io ny fatiny. Manoloana ity vono olona ity dia misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana, ka andrasana ny fivoaran’ ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici