- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Raim-pianakaviana mamo, nanolana ny zanany

Fenoarivo : Raim-pianakaviana mamo, nanolana ny zanany

Dimy volana taty aoriana vao fantatra ny habibiana nataon’ity raim-pianakaviana 50 taona, tamin-janany vavy. Teny amin’iny faritra Fenoarivo iny no nitrangan’izany, ary avy hatrany dia nanao fitairanana tany amin’ny biraon’ny zandary ireo fianakaviana. Araka ny fanazavàna azo dia vehivavy kely vao 13 taona monja no niharan’ny filan-dratsin’ny rainy. Tamin’io andro io, araka ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana dia mamo ity rangahy tsy valahara ity. Notambatambazany ilay ankizivavy kely, ary nanamparany ny filan-dratsiny nony avy eo. Nanomboka teo, asa raha hoe norahonany ity ankizy ity tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zava-dratsy nataony, fa dia tsy nisy nahafantatra tokoa izany, raha tsy niha-nibontsina ny kibon’ity ankizivavy … bevohokan-drainy. Hatairana ny an’ireo fianakaviana ka nandeha avy hatrany tany amin’iny mpitsabo izy ireo. Tany no nahafantarana fa mitoe-jaza ilay zaza, ary efa ho dimy volana eo ho eo. Noterena hiteny amin’ity ankizy ka tamin’izany no nilazany fa ilay rainy no nanolana azy, hoy ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpanao famotorana. Nitory avy hatrany ity rangahy tsy mataho-tody ny fianakavian’ilay zaza. Nosamborina avy hatrany iry voalohany, ny alarobia lasa teo, ary nentina nohadihadiana. Omaly moa no fantatra fa natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana ity lehilahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici