Hazo misy fantsika. Izay no nivelesana azy teo amin’ny lohany. Toy izao ny zava-nitranga. Alakamisy alina, raha avy niasa ity lehilahy ity ka naterin’ny môtô izay misy mpitondra, toy ny isan’alina ihany, dia nisy lehilahy nipoitra tampoka teo ampovoan’ny arabe. Mody nanao voadona izy io ary nitsarara tamin’ny tany. Taitra ireo roalahy raha nahita izany ary nijanona. Izay anefa no tanjon’ireo olon-dratsy. Vao naka sisiny ny môtô dia nivoaka ny roa lahy izay nitondra « bois rond » misy fantsika. Novelesina tamin’izany izy roa lahy. Ny iray naratra mafy ary ny faharoa izay voa teo amin’ny lohany kosa, nitarika ny fahafatesany izany. Lasan’ireo olon-dratsy ny môtô izay mazava ho azy fa io no tena nokendren’izy ireo. Mbola iny alina iny ihany koa, raha ny fanampim-baovao azonay, no nisy fiara izay nisy telo lahy sy vehivavy iray tao anatiny. Tsy nanam-po na inona na inona ireo raha nisy lehilahy iray nianjera teo ambonin’ny « capot » rehefa nisaoty. Toy ireny voadona ireny mihitsy. Raha nijanona ireo ka nijery ny zava-nitranga dia hita nitazona zava-maranitra ilay lehilahy ary nikasa ny hamaky ny fitaratra. Raha mbola nanohàna an’izany izy telo lahy dia nisy bandy hafa indray nipoitra avy tao anaty maizina. Mody mamo ireo ary nikasi-tànana. Raikitra ny fifanenjehana sy ny sakoroka. Tao anatin’izay fotoana izay dia efa feno olona teo amin’ny manodidina an’ilay fiara ary samy naka izay azony nalaina tao ireo. Midika izany rehetra izany fa misy firaisana tsikombakomba efa vita kajy eo amin’ireto olon-dratsy ireto. Lasa ny vola tao anaty paoketra sy izay entana mora nobataina. Raha niverina avy nanenjika tany izy telo lahy dia fiara efa foana no novantaniny. Endrika iray izay entin’ny olon-dratsy handrobana izany ity mody voadona ity ankehitriny ary indrindra eny amin’iny manodidina an’Anosizato iny.
D.R