- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana sy famonoana ny ben’ny tanan’Ampefy : Niampy dimy indray ireo jiolahy...

Fanafihana sy famonoana ny ben’ny tanan’Ampefy : Niampy dimy indray ireo jiolahy voasambotry ny zandary

Na dia efa ireo efa voasambotra sy ny iray matin’ny zandary, tamin’ireo olon-dratsy izay rain-dahiny amin’iny fanafihana sy isan’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny ben’ny tananan’Ampefy dia fantatra izao fa mbola namany hafa indray nosamborin’ireo zandary avy ao Ankadinondy sy Analavory, taty an-drenivohitra : teny amin’iny faritra 67ha iny, afak’omaly. Miisa dimy izy ireo, araka ny fampitam-baovao avy amin’iny zandarimarim-pirenena, izay efa tena hikoizana tanteraka amin’ny asan-jiolahy mahery vaika. Mbola nahitàna basy lava iray, poleta iray, bala roa, ary zava-maranitra isan-karazany fentin’izy ireo manafika, tany amin’ireto jiolahy ireto. “Tsiahivina fa ny 28 hifoha 29 oktobra lasa teo tokony tamin’ny 01 ora maraina no nisy nanafika ny mpivarotr’omby iray mipetraka ao Akadinondry. Tao amin’ny rihana voalohany tonga dia novonoin’izy ireo tamin’ny antsy ny raim-pianakaviana tao rehefa nanohitra ary lasa tamin’izany ny findain’ny vadin’ny maty. Nanampy ny nanamy tao amin’ny rihana faharoa izy ireo rehefa vita izany ka nalain’izy ireo tamin’izany ny kojakojan’ny mpianatra sy bicyclette ary vola mitentina iray tapitrisa ariary mahery any ho any” hoy ny vaovao. Ny ampitson’io no raikitra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ireo olon-dratsy izay nikasa ny mbola hanafika toerana hafa indray. Iray tamin’izy ireo no lavon’ny bala, “izay mbola afaka nilaza ny mombamomba ireo namany, talohan’ny nandaozany ny tany”. Nanomboka teo ny fikarohana ireto farany. Nisy telo no voasambotra tany an-tranony, tany amin’iny faritra Ampefy iny. Tao kosa ireo voalaza fa nitsoaka taty an-drenivohitra ka izao voasambotra izao. Marihana fa manodidina ny 20 lahy teo ireto olon-dratsy ireto no nanao ireo fanafihana mitam-piadiana ireo. Araka izany dia mbola eo am-pikarohana ireo naman’izy ireo hafa ny zandary amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici