- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy namono tena, nitsoraka teny ambony tafon’ny hopitaly

Antsirabe : Lehilahy namono tena, nitsoraka teny ambony tafon’ny hopitaly

Vokatry ny fifamaliana nisy teo aminy sy ny fianakaviany, nikasa hanapitra ny ainy ity rangahy iray ka teny amin’ny tafon’ny hopitaly izy no nitsambikina . Tao amin’ny hopitaly CHRR no nisehoan’ity tranga ity ny fiandohan’ny  volana novambra teo. Araky ny fantatra, naiditra hopitaly ilay rangahy vokatry ny fahamaizana tamin’ny tenany. Nisy nanondraka tamina ronono mahamay izy tao an-tokantranony ka voatery manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly. Tonga namangy azy ny havany ny nandritra ny fetin’ny maty lasa teo iny. Fantatra fa mbola nolatsain’ireo fianakaviany  tamin’ny nahazo azy ihany ilay rangahy. Tsy nahazaka ny nahazo azy intsony ity farany ka hany vahaolana hitany ny famonoan-tena. Niakatra teny amin’ny tafon’ny hopitaly ilay rangahy ka nandrahona ny hitsambikina. Vetivety dia nitangorona ny olona raha nahita ny tranga teo amin’ny hopitaly be teo. Voatery nakana tohatra ilay rangahy mba hampidinana azy teny ambony teny,soa aloha fa  mbola nisy fisalasalana kely taminy ka tsy tafatsambikina izy teo. Natokan’ny mpitsabo efitra ilay rangahy rehefa avy teo ka nafarana mafy ny fianakaviany hiambina azy. Tsy ela akory anefa, vokatry ny tandrevaka nataon’ny mpiambina, vetivety teo, dia efa teny amin’ny rihana ambony indray ilay rangahy no nitsangana ary vonombonona ny hitsambikina mihitsy. Tsy nisy azo natao intsony fa dia nitazam-potsiny sisa ny maro fa nitsambikina tokoa ny anao lahy. Nahagaga anefa, fa na dia avo dia avo aza ny rihana nitsambikinan’ilay rangahy  no sady nitontona mafy tamin’ny tany ny vatany, dia tsy naninona izy fa nitsanga soaman-tsara avy teo. Naverina naiditra ny efitranony izy ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici