Nahazo laka tato ho ato ny trangana fanolanana mihatra amin’ny ankizivavy kely tsy ampy taona any amin’ny Distrikan’i Sambava. Afak’omaly, tovolahy iray voatondro ho nanolana zaza vao enina taona monja no voasambotry ny Fokonolona tao Tsarahitra Kaominina ambanivohitry Antsirabe Nord. Mba hisorohana ny hatezeram-bahoaka, dia nampandrenesana haingana an’ ity tranga ity mpitandro filaminana, ka avy hatrany ireto farany dia nandefa Zandary tany an-toerana. Araka ny fanampim-baovao azo dia misy tovolahy iray hafa karohina fatratra amin’izao, izay voatonona ao anatin’ny tambanjotran’ny mpanolana, voasaringotra mafy amin’ity raharaha fametavetana tamin’ny fomba mamohetra ankizivavy ity. Hatramin’ny omaly antoandro nanoratana ny vaovao, dia mbola tsy mijanona mandeha rà ny fivavina’ilay ankizivavy voaolana, izay efa manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Besopaka hopitaliben’ i Sambava.
Eric Manitrisa