Isan’ny olona niharan’ny fitsaram-bahoaka vokatry ny tsaho niniana naely teto Toamasina, mikasika ilay vaksinin’ny pesta nampisahotaka vahoaka ny faramparan’ny volana oktobra lasa teo, ity mpampianatra mikasika ny tontolo iainana izay nitondra ny mpianany hanao fitsidihana ifotony ity. Ny 27 oktobra teo no niakatra teo anivon’ny tonia mpampanoa lalana sy ny mpitsara mpanao famotorana Toamasiana ireo olona dimy voasambotry ny zandary nahavita izany, ka naharatrana mafy teo amin’ity mpampianatra izay voatery notsaboina tao Antananarivo mihitsy noho ny fahavoazana mafy teo amin’ny lohany. Tsy fahazoana miasa mandritra ny 60 andro no azony tamin’ny mpitsabo vokatr’izany, ka raha namoaka ny didy savaranonando ny fampanoavana teto Toamasina dia mifonja vonjimaika ao Ambalatavoahangy avokoa izy dimy lahy ireo. Araka ny fanazavana hatrany anefa dia tadiavin’ny polisy noho izy nitsoaka taorian’izao fitsaram-bahoaka noho ny tondro molotra sy tsaho izao, ny zanaky ny tangalamena izay voalaza ho lehiben’ny Karitie môbily ao Ambodisaina Vohitrambato, izay voalazan’ireo efa voasambotra, fa izy no tena nahatonga ilay tondro molotra sy ny fanelezana tsaho. Raha hiverenana ny raharaha, dia ny alahady 22 oktobra no nitranga ny fitsaram-bahoaka, fotoana izay nielezan’ny resaka momba ny fisiana andian’olona manao vaksiny fanefitry ny pesta, nefa mampalemy zaza sy ankizy teto Toamasina. Tsy nanampo na inona na inona fa handalina ny mikasika ny tontolo iainana sy ny zava-boaary no anton-dian’ireto mpianatra am-polony sy ny mpampianatra azy ireto, nefa izao tratry ny tsaho sy tondro molotra izao. Nikasa ny hihazo an’ Ivoloina izy ireo ka izao nandalo tao Ambodisaina, fokontany Vohitrambato, kaominin’i Toamasina suburbaine, distrikan’i Toamasina II izao.
Malala Didier