- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTsimandaingo-Maevatanàna : Dahalo 8 nandroba omby 50, maty voatifitry ny fokonolona ny...

Tsimandaingo-Maevatanàna : Dahalo 8 nandroba omby 50, maty voatifitry ny fokonolona ny roa.

Nifandona ny dahalo mpangalatra omby sy ny fokonolona, ary dahalo roa maty voatifitra, vaky nandositra ireo dahalo sasany, navelan’izy ireo teo ny omby halatra. Tao amin’ny fokontany Tsimandaingo, Kaominina Mahazomà, disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’ny fifampitifirana, ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana, dia dahalo maheriny 8 nitondra basim-borona fito no nanafika tany amin’ny Kaominina Marie, ny Asabotsy lasa teo tokony tamin’ny 12 ora sy sasany ny alina, ka omby 50 teo no lasan’izy ireo. Nanao sakan-dàlana ny mponina avy ao Tsimandaingo raha nahazo antso an-telefaonina tamin’ireo olona avy ao Marie. Napetraky ny fokonolona avy hatrany fanakanana ny kizo izay natao, ka nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, tao  Tsimandaingo. Dahalo roa maty voatifitra ary olon-tsotra iray naratra. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ny omby rehetra, satria nitsoaka nirifatra ireo dahalo hafa. Nidina tany an-toerana malaky ny Zandary avy ao Mahazomà nanao ny fizahana sady niambina kizo. Nalefa eto amin’ny Hopitaly be Morafenokely Maevatanàna ny naratra. Ny Zandary avy ao Mahazomà no misahana ny fanadihadiana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici