Jiolahy roa anisan’ny nampitondra faisana sy mampihorohoro tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna no voasambotry ny Zandarimaria, ny Zoma lasa teo. Raha fanazavana voaray avy amin’ny « Chef GAPJ Maevatanàna,» dia ny Atalata 29 Aogositra lasa teo, dia nisy olona telo nitondra basim-borona iray no nanafika tao an-tampo-tanànan’Andriba tao amin’ny tranony i Atoa Rakoto Marchal, ka votifitra no sady naratra mafy. Noho ity fitifirana nahazo azy ity, dia noentina tany amin’ny hopitaly Androva Mahajanga izy. Rehefa avy noesorina ny bala navoa azy dia nitory tao amin’ny Zandary GAPJ Betsiboka. Natao ny velam-pandrika rehetra sy ny fanjonona an’ireto jiolahy ireto, ka tany amin’ny faritra Mahatsinjo izy ireo no voasambotry ny Zandary, ary noraisim-potsiny izy roalahy. Raha fanazavana azo hatrany dia anisan’ny efa nampitondra faisana ny mponina tany Andriba sy Mahatsinjo Ambony, ary anisan’ny mampihorohoro ny manodidina ihany koa. Izay no voalaza fa anisan’ny atidoha nikotrika tamin’ny fanafihana tany an-toerana, ary tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny ( moara sy ody bala.) Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny fokonolona sy ny fianakavian’ilay voatifitra, ary ny mpitandro ny filaminana no naha sarona an’izy roalahy. Efa natolotra ny fampanoavana ny Alatsinainy 6 Novambra teo, tokony tamin’ny 5 ora hariva izy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana an’ireo dahalo naman’izy roalahy ireo.
Ratantely