Fiara iray avy any Miarinarivo, handeha hizotra ho any Analavory indray no lasibatry ny asan-jiolahy omaly maraina. Andian-jiolahy maromaro, nirongo fitaovam-piadiana izy ireo, raha ny vaovao azo. Tsy afa-nanohitra noho izay ny mpamily ka nanatanteraka izay nolazain’ireto jiolahy mpanakan-dalana. Lasan’izy ireo araka izany ny vola tany amin’ity fiara. Marihana fa tsy fiara mpitatitra olona akory ity fiara nosakanan’ny jiolahy ity fa fiara mpitondra mofo, ilay mandeha vao maraina ireny. Angamba vao nahatazana ity fiara nandeha irery ireto olon-dratsy dia faly anakampo ka nametraka toy tsy teo ireo vato sy hazo natao sakana. Vantany vao tafajanona ilay fiara dia nambanan’izy ireo basy avy hatrany ny mpamily, hamoha ny varavarana. Nisy tamin’ireo tao anaty fiara ihany no namaly fa tsy misy vola tany amin’izy ireo, ka nodarohan’ireo olon-dratsy. Zava-marina anefa io voalaza io satria dia vao handeha hanao « livraison » mihitsy izy ireo, ka zara raha nisy vola tany amin’izy ireo. Rehefa azon’ireto mpanafika moa ny zavatra nilainy ka afa-po tamin’iny fisavàna izy ireo dia nitsoaka nandositra. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
m.L