- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tokantrano nisy nanafika, mpianaka voatsatoka antsy

Antsirabe : Tokantrano nisy nanafika, mpianaka voatsatoka antsy

Tsy any amin’ireo kaominina mihataka an’Antsirabe ihany no manjaka ny tsy fandriampahalemana amin’izao,  fa efa manani-bohitra koa ny jiolahy. Tokantrano  iray no nisy nanafika tao Amabavahadimangatsiaka, ny Talata 7 Novambra lasa teo. Ny nampametra- panontaniana ny maro d  dia ny hoe  tsy fianakaviana manan-katao akory ity nisy nanafika ity fa fianakaviana tsotsotra ihany satria mpampianatra no asan’ilay ramatoa. Mpianaka kely izy no iray trano. Ny varavarana no nopoirin’ny jiolahy, taitra izy mianaka raha naheno izany, ny andro rahateo efa maraindraina tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any, raha ny fanazavana. Nifoha ilay ramatoa ary nanontany sady namoha ny varavarana hijery izay olona nandodona atao an-tranony. Vao nivoha anefa ny varavarana dia lehilahy iray no  avy hatrany dia nidaroka no sady nisintona azy tany ivelan’ny trano. Niezaka niaro- tena ihany ilay ramatoa, saingy nitondra sabatra ilay jioalahy. Voatsindrona ny sabatra ny  hatok’ilay ramatoa sy ny faritry ny masony ka tsy afa-nihetsika firy intsony. Nivoaka ny  trano koa ity zanany raha naheno ny sakoroka, saingy ilay reniny efa mihosin-dra no hitany. Nifampitana tamin’ilay jiolahy koa ity farany, saingy naratra ny sabatra koa ny tànany. Nitsoaka nandositra anefa ilay jiolahy nony avy teo. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny Hopitaly ilay ramatoa mpampianatra hatramin’izao ary fantatra, fa hiakatrika fandidiana noho ny masony potsitra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici