- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodifilao : Ramatoa notifirin’ny mpanendaka tamin’ny « teaser »

Ambodifilao : Ramatoa notifirin’ny mpanendaka tamin’ny « teaser »

Nitsirepirepy tanteraka ity renim-pianakaviana, noho ny herisetra nanjo azy. Notsatohana ireny fitaovana misy herinaratra mahery vaika ireny, na « teaser » izy ary teo imason’ny zanany vavy. Nikasa ny handeha haka bus teo Ambodifilao izy mianaka, no nataon’ny mpanendaka lasibatra ny harivan’ny alarobia teo. Lasa ny paoketra izay nisy ny karama vao nalaina. Ary toa efa fantatr’ireo mpanao asa ratsy mihitsy aza angamba izany matoa iny fotsiny no nalainy. Vola mitentina 460.000 ariary, raha araka ny fanampim-baovao azo, no tao anatin’ilay paoketra. Nifamonjen’ny olona teo ilay ramatoa izay nampalahelo loatra, satria herinaratra efa ho 10.000 Volts no niantraika taminy. Ny omby aza matetika torana rehefa kasohana amin’ireny fitaovana ireny. Efa misy manana izany indray anefa ny mpanendaka izay mazava hoazy fa manaraka teknolojia koa izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici