- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversPasitera Benjamina : Afaka madiodio tamin’ny raharaha nahavoarohirohy azy

Pasitera Benjamina : Afaka madiodio tamin’ny raharaha nahavoarohirohy azy

Araka ny didy navoakan’ny tribonaly mahakasika ilay raharaha fisolokiana amina resaka tany, izay nahavoasaringotra ny Filoha mpanorina ny fiangonana Fmfoi, ny pasitera Benjamina, dia fantatra izao fa nomena fahafahana madiodio ity mpitondra fivavahana ity. Izany dia noho ny fahatsapan’ireo mpitsara, fa efa maty paik’andro ity raharaha ity, ka tsy mitombina intsony sy natsahatra ny fanenjehana ireo voatory tao anatin’izany. Raha somary hiverenena kely ny raharaha, dia nisy ny fitarainana tonga teny anivon’ny zandary Fenoarivo, mahakasika  fivarotana tany tsy ara-dalàna, izay nahavoarohirohy azy sy olona iray. Tany izay teny Fenoarivo ary efa vita fifanarahana ara-barotra ny taona 2008. Vita taratasy ara-dalàna sy efa nafindra tamin’ny tompony vaovao ihany koa ny taona 2016. Na teo aza anefa ireo porofo mazava ireo, dia naroso hatrany ny famotorana ary tonga hatramin’ny famonjana vonjimaika an’ity mpitondra fivavahana ity tany am-ponja izay. Ny ampitson’io ihany dia nentina notsaraina ary dia izao nafahana madiodio izao. Araka ny fanazavana azo, dia toa zary resaka iniana handotoana ity mpitondra fivavahana sy ireo fiangonana tarihiny ity zavatra nianjady taminy ity kanefa na izany aza dia tsy misy marina tsy natao hivoaka tokoa. Eo anatrehan’izay indrindra, dia hisy fotoam-bavaka lehibe ho fisaorana an’Andriamanitra, izay hataon’ireo mpino ao amin’ity fiangonana ity rahampitso, any amin’ireo fiangonana mahery ny 180 manerana ny Nosy, araka ny fanazavana azo. Hifarana amin’io ihany koa ilay fifadian-kanina notanterahan’ireo pasitera teo anivon’ity fiangonana ity. Anjara biriky ara-panahy amin’ny fiadiana amin’ny pesta izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici