Omaly izy no natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy taorian’izay. Toy izao ny zava-nitranga : ny alarobia teo dia nisy andian-jiolahy miisa dimy ary tsy misaron-tava nanafika Epi-Bar. Nitondra basy PA ny telo tamin’izy ireo, sabatra kosa ny roa. Tsy mifanalavita amin’ny fanafihana hafa ihany ny fomba nataon’izy ireo : ny sasany mandrahona amin’ny basy ny tompon’ny tsena sy izay mpanjifa mbola tao anatiny ary ny hafa kosa mandroaka ny vola amin’ny baoritra. Mbola nentin’ireo ihany koa ny entana maivana izay zakany. Vao dify kely ireo olon-dratsy dia nitsioka kiririoka ny tompon’ilay toerana mba hanairana ny manodidina. Ary tena namaly ny antso tokoa ny fokonolona tamin’ity indray mitoraka ity. Raikitra ary ny fanenjehana. Nanome hery ny olona ny fahatongavan’ny pôlisy misahana ny boriborintany faharoa teo an-toerana rehefa nisy nampandre. Tsy nisy niverin-dàlana intsony teo fa narahina hatramin’ny farany ny làlan’ireo olon-dratsy. Nitsoaka tao anaty tanimbary izy ireo, ary izany dia mizotra mankany Ambohimiandra. Ratsy vintana ny iray tamin’ireo mpanao ratsy satria nilatsaka tao anaty honahona ary tsy tafavoaka tao na dia niady mafy aza. Tsy afa-nanoatra ary nalain’ny pôlisy tao dia nentina avy hatrany tany amin’ny biraony. Koa satria heloka bevava no nataon’ity jiolahy ity sy ny namany dia nalefa avy hatrany teo anivon’ny borigady misahana ny fanadihadiana mifandraika amin’izany izy. Isan’ny andrasana amin’ny mpitandro ny filaminana, indrindra eto an-drenivohitra, ny fanasiana ny olony izay mipetrapetraka eny amin’ny toerana miovaova sy « mena ». Ny fisian’ireny « éléments pré-positionnés » ireny dia manafaingana ny fidirana an-tsehatra ka manamora ny fanenjehana ireo jiolahy. Tsy voatery ho betsaka an’isa foana vao afaka manao izany fa resaka fandaminana kely…
D.R