Na dia eo tokoa aza ny lalàna izay milaza fa “voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny ny mpanao vola sandoka” , dia toa tsy mahafoana velively ireo tontakely izay misehatra amin’ity asa ratsy ity izany. Ny herinandro lasa teo tokoa mantsy, dia tambajotrana mpanao vola sandoka, saika hanaparitaka izany indray no saron’ny zandarimariam-pirenena teny amin’iny faritra Itaosy iny. Lehilahy ny iray tamin’izy ireo ary vehivavy kosa ny roa. Mbola nahatrarana vola sandoka mitentina eo amin’ny dimy alina sy efatra hetsy ariary teo moa izy ireto tamin’ny fisamborana azy. Raha ny fanazavana azo, dia nisy ny loharanom-baovao azon’ny teo anivon’ny zandary mahakasika ny fisiana olona mikasa hanaparitaka vola sandoka. “Nanao ny fikaroham-baovao toy ny mahazatra azy ny zandary tamin’io fotoana voalaza io ka nahare ny fisian’olona manaparitaka vola sandoka mipetraka eny Amboatavo Ambavahaditokana Itaosy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ary izy ireo nanamarina izany ary niditra avy hatrany tamin’ny fanokafana fanadihadiana, izay nitohy tamin’ny fisavana ka niafara tamin’ny fahitana ireo vola sandoka ireo” hoy ny fampitam-baovao. Dimy izy ireo no tany amin’io toerana nisamborana azy ireo, saingy tafaporitsaka kosa ny iray, raha ireo azo sambo-belona ireo ny efatra. Efa eo an-dalam-pikarohana ity iray nitsoaka ity moa ireo tompon’andraikitry ny zandary any an-toerana. Ny zoma teo kosa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona tratra niaraka tamin’ny vola sandoka ireto, ary nadoboka avy hatrany any Antanimora, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
m.L