- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Sefom-pokontany nalaina natao takalonaina, olona iray hafa naratra voatifitra

Maevatanàna : Sefom-pokontany nalaina natao takalonaina, olona iray hafa naratra voatifitra

Tena faritra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa. Saika andrenesana fitifirana olona sy asan-jiolahy hatrany ny any an-toerana. Sefom-pokontany nalaina no natao takalonaina, ary olona iray naratra voatifitry ny jiolahy teo amin’ny fehiny. Tao Maromandalo, fokontany Marofototra, Kaominina Maevatanàna faharoa, ny Zoma lasa teo, tokony tamin’ny 11 ora antoandro no nisehoan’izany. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia 10 lahy nitondra basim-brona sy zava-maranitra no nangalatra omby 100 mahery tao Maromandalo. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny mpanafika sy ny fokonolona tao an-tanàna, ka olona iray no naratra voatifitra, ary sefom-pokontany iray nalaina natoa takaloniaina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona. Efa nahazo ny fitsaboana saha azy ao amin’ny hopitaly be Morafenokely kosa ilay naratra voatifitra teo amin’ny feny. Tany amin’y tanàna antsoina hoe Manerinerina Amboasary vao navotsitry ny dahalo ilay sefom-pokontany natao takaloniaina. Mbola mitohy ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo mpanafika hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici