Dimy lahy izy ireo, avy nanantanteraka fanafihana mitam-basy teny amin’iny faritra Andavamamba iny omaly. Nandray ny andraikiny tao anatin’ny fotoana fohy ireo pôlisy miandraikitra iny faritra iny, ka nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voasambotra. Fanafody gasy marobe no hita teny aminy, saingy tsy nahitana fitaovam-piadiana. Tafaporitsaka kosa ireo ambiny ary eo am-panaovana savahao sy fikarohana izany ny mpitandro filaminana. Raha ny zava-nitranga : nirefodrefotra ny basy ny teny amin’iny faritra Andavamamba Anjezika Faharoa iny, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Mpamongady iray amin’ny sehatry ny kojakoja ilaina andavanandro, teny an-toerana no lasibatry ny fanafihana mitam-piadiana. Andian-jiolahy teo amin’ny dimy teo izy ireo, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny pôlisy eny amin’iny faritra iny. Ny roa tamin’izy ireo no nitondra basy poleta, fa ny ambiny kosa nitondra sabatra. Nanao amboletra niditra avy hatrany tamin’ity tranombarotra ity ireto olon-dratsy ireto, ary nandrahona ireo tompon-trano. Sendra ny be no ho ny vitsy moa ireto voatafika ka tsy afa-nanoatra firy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny solosaina fentin-tànana nipetraka tao, niaraka tamin’ny firavaka volamena maromaro. Torak’izany ihany koa ny vola rehetra matin’ity tranombarotra ity nandritra io tapak’andro maraina io. Taorian’izay, dia nitsoaka ireto olon-dratsy no sady nanapoaka basy, hampitahorana izay olona sendra sahy manaraka azy ireo. Ny tsy fantany tamin’io fotoana io, dia voaray an-tsary tao anaty “camera” avokoa izy ireo. Hany ka nanamora ny asan’ireo pôlisy izay nidina avy hatrany teny an-toerana izany. Fotoana fohy taorian’ilay fanafihana tokoa mantsy, ary tao anatin’ny savahaon’ireo polisy mihitsy no nisy olona nitovy endrika sy fitafy tamin’ireo mpanafika ka nosamborina avy hatrany. Tsy nisy fitaovam-piadiana tany aminy, saingy nahitana moara sy fanafody gasy marobe, izay fentin’ireo dahalo any amin’ireo faritra mena sasantsany eto amintsika. Nentina avy hatrany tany amin’iny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy moa ity farany. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany.
m.L