- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Raim-pianakaviana notifirina sy notetehina tamin’ny famaky

Maevatanàna : Raim-pianakaviana notifirina sy notetehina tamin’ny famaky

Tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambohitromby, Kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna no nidiran’ny andian-dehilahy  20 nitondra basim-borona sy antsy ary famaky, ny  Alakamisy teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Tsy nanànan’ireo olon-dratsy antitra ny raim-pianakaviana iray, 45 taona fa novonoin’izy ireo tamin’ny alàlan’ny tifitra basy, ary mbola notetehina famaky ihany koa. Naratra voadaroka kosa ny vadiny. Nalain’ireo jiolahy ny vola mitetina efatra hetsy ariary, niampy labiera efapolo tavoahangy niaraka tamin’ny vary roa gony. Ny olona dia tsy nisy sahy nanohitra, satria be loatra ny basy teny amin’ireo malaso ary tena nitifitra rahateo izy ireo. Tombanana ho efa nomanina mialoha ary nokendrena manokana ny tranon’ilay rangahy maty, ka tsy nisalasala namono sy nanapoaka basy ireo dahalo. Nirifatra nandositra avy hatrany izy ireo, raha vantany vao vita ny asa ratsiny. Naharay antso ihany ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, saingy efa tsy nahatratra an’ireo olon-dratsy intsony. Nidina tany an-toerana nitsapa alahelo Rtoa Rasoarimalala Georgette dit Zory kely; izay solombavambahoakan’i Madagasikara  voafidy tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Efa eo am-pikarohana ireo jiolahy nanafika ny mpitandro ny filaminana ankehitriny. Mirongotra tanteraka ny asan-dahalo any an-toerana raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna teo aloha any Andriba, fanintelono ny tranga tamin’ny Alakamisy teo, tao anatin’ny iray volana monja izay. Raha ny fangatahan’ny mponina any an-toerana, dia mety kokoa amin’izy ireo raha haverina indray ny « Opération» nataon’ny Zandary teo aloha mba hiverenan’ny fandriampahalemana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici