Nirongatra izay tsy izy tato ho ato ny asan-dahalo arahina vono olona any amin’ny Distrikan’ i Morondava. Ny harivan’ny 12 oktobra lasa teo, dahalo telopolo lahy no nanafika tao amin’ny Fokontany Belalanda Kaominina Analaiva. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, telo andro nialoha ny fanafihana dia efa nampiomana an’ity tanàna notafihany ireo malaso, ka nivonona tamin’ny fitaovana ny Fokonolona, ary niandry ny fahatongavan’ireo dahalo ny vantan-dehilahy matanjaka teo amin’ity Fokontany ity, raha nalefa nitsoaka natory tany anaty ala avokoa ireo zaza amam-behivavy sy ny olona antitra ary marary. Nampiomana nialoha an’ity tanàna notafihany ireo malaso. Rehefa tafiditra tao an-tanàna ireo mpanani-bohitra tonga dia nivantana tamina valan’ombina rangahy mpanarivo be omby iray ny sasany tamin’ireo malaso. Ny ambiny kosa nandeha namaky ny tranon’ity lehilahy mpanarivo naka entana sarobidy zakan’izy ireo. Tsy nihemotra mihitsy ny mponina, fa teo am-pamoahana an’ireo omby 60 mahery tao am-bala ireo olon-dratsy no raikitra ny fifampitifirana nandritra ny 10 minitra teo, ka mpangalatr’omby telo maty rotiky ny balan’ny fokonolona. Nalain’ireo andian-dahalo haingana nentin’izy ireo nitsoaka ny faty roa tamin’ireo namany lavon’ny bala, raha mbola tavela ao Belalanda hatramin’ny omaly naraina ny fatin’ny dahalo iray maty voatifitra.
Eric Manitrisa