- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Sinoa maromaro nosamborina?

Ivato : Sinoa maromaro nosamborina?

Tao amin’ny hotely lehibe iray no nitranga ny fisamborana omaly. Telo aloha no nalain’ireo mpitandro ny filaminana voalohany. Niverina indray izy ireo ary naka ireo maromaro hafa izay mbola tavela tao anatiny tao. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena anton’ity raharaha ity. Ny olona teo amin’ny manodidina nahita dia nanambara fa mpitandro ny filaminana manao saron-tava no nanao ny fisamborana. Midika izany fa raharaha mafonja ary olona atahorana matoa ireo manana fahaiza-manao manokana amin’ny mpitandro ny filaminana no nidina an-tsehatra. Arahina anio ny mety ho fivoaran’ny vaovao.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser