Nirotsaka toa saika isanandro ny orana taty Ambatondazaka tato ho ato. Saika tsentsina avokoa anefa ireo lakandrano eto amin’ny tampon-tanana noho ny fanarian’ireo mponina fako amin’ireo lakandrano ireo . Niakatra araka izany ny rano ka betsaka ireo efa ho any am-balahana ny rano ao an-trano, potika ny entana, tafiditra any an-trano ny loto sy ny fotaka, indrindra amin’ireo toerana iva toy ny tao amin’ny Abatoara sy Amparihikely. Nidina ifotony nanadio izany tatatra izany niaraka tamin’ireo fitaovana vaventy nomen’ny BNGRC ny prefekitiora sy ny kaominina ary ireo tsara sitrapo teto amin’ny renivohitry ny faritra, ka nahafaly ireo vahoaka izany. Nanambara ny ben’ny tananan’Ambatondrazaka, Atoa Rafidimanana Felicité, fa tokony tsy hanary fako ao anaty tatatra intsony ny mponina fa lasa manentsina ny tatatra izany ka mahatonga tondradrano eto amin’ny renivohitra.
Janus R