- Publicité -
jeudi, août 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNiely ny tsaho amin’ny fanaovana vakisiny pesta : Nandray andraikitra ny fanjakana

Niely ny tsaho amin’ny fanaovana vakisiny pesta : Nandray andraikitra ny fanjakana

Raha  ny tao Ambatosoratra Ambatondrazaka ny marainan’ny faha  13 Novembre 2017 teo no nahoraka  ny tsaho fa hisy ny fanaovana vakisiny pesta ka nandeha nilefa nody avokoa ny mpianatra dia nitohy tao Amparafaravola sy Ampasikely  ary Morarano sy ny manodidina izany ny Talata faha 14 Novembre 2017 lasa teo  ka samy naka ny zanany avokoa  ireo ray amandreny  ary dia tao anatin’ny tebiteby sy ny tahotra moa ireo kilonga  madinika tamin’izany fotoana izany  , satria  samy nitondra ny zanany nody avokoa ny ray amandreny .Nandray andraikitra  nidina nijery ifotony  ny avy tao amin’ny prefekitiora sy ny tao amin’ny fampianarana nilaza ny tsy fisian’izany vakisiny izany tamin’ireo mpianatra sy ny mpanabe ,ary nanamafy fa raha misy ny olona manely tsaho sy manakorontana dia tokony hampandre haingana ny mpitandro ny filaminana ny rehetra.Efa miverina mianatra avokoa  ny mpianatra  amin’izao fotoana izao raha ny tapakandro ihany no tsy nianatra tamin’ireo andro voalaza ireo  fa samy mametraka soratra amin’ny vavahady hoe “tsy misy vakisiny pesta”

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici