Ny alatsinainy lasa teo no niseho ny lozam-pifamoivozana iray tao amin’ny tanàn’ny Befotaka teo amin’ny PK 166 ; lehilahy iray nitondra kibota tokoa mantsy no nisongona kamiao iray mijanona eo amoron-dalana ;tsy nisasaka akory anefa ny vatan’ilay kamiao nohoarany no indro nitsidika nifanena taminy ialy kamiao mpitondra solika na irony « citerne » irony. Nikoropaka noho izany itympamilin’ny kibota ka tonga dia niala ny lalana nisy azy ; nivarina tany anaty hantsana anefa izy tamin’izany ka ampelatanan’ny zandary an antoerana moa ny raharaha amin’izao.
ALEM