- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : 20 lahy nanafika tokantrano, nanjavona ny volabe

Ambatondrazaka : 20 lahy nanafika tokantrano, nanjavona ny volabe

Nirefodrefotra ny basy ary nanakoako ny kotaba nataon’ireto jiolahy miisa ho 20 any ho any nanafika ity tokantranona mpivarotra iray tao Ambodimanga Ambatondrazaka. Famaky lehibe iray no namakiana ny trano ka nanakoako eran’ny manodidina, sady mandrahona ireto jiolahy hoe « mivoaha izay mafy ». Niantso vonjy ny tompon-trano, niezaka nitsoka kiririoka ihany koa, nefa tsy nampatahotra ireto jiolahy ireto izany fa vaomainka izy ireo niditra ny trano, ary nandrahona hoe aiza ny vola sy ny volamena. Dia nomena avokoa ny zavatra sarobidy notadiavin’ireto jiolahy rehefa voambana basy izy mivady. Ny manodidina rahateo tsy nisy nivoaka noho ny tahotra. Anetsiny tany ho any ilay volabe, hoy ny tompon-trano, satria mpivarotra mandeha no tena asan’izy mivady, ary vao tonga avy nivarotra izy ireo ka nieritreritra ny ampitso vao hanisa ny vola sy hanao ny fandrotsaham-bola any amin’ny banky, kanefa izao tratran’ny fanafihana izao. Manao sarontava ny sasany amin’ireo jiolahy, hoy ny fanazavana ary nisy basimborona tazana teny amin’izy ireo. Ny Alakamisy faha-16 novembre 2017 tokony ho tamin’ny 11 alina no nitrangan’ny fanafihana izay naharitra teo amin’ny 20 minitra tany ho any, ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici