- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanerena hanome vola : Zandary roa amperinasa nidoboka am-ponja

Fanerena hanome vola : Zandary roa amperinasa nidoboka am-ponja

Nivaona tanteraka tamin’ny andraikitra nandrasana taminy sy ny iraka nampanaovina azy ireto zandary roa lahy. Noteren’izy ireo hanome vola azy mitentina 700.000 ariary ny olona iray izay nolazain’izy ireo mpivarotra omby halatra. Nentim-patahorana satria nolazaina fa hosamborina avy hatrany raha vao tsy misy an’izany, dia lasa namorona ny tsy misy. Vola mitentina 400.000 ariary no voaangon’ilay olona dia io aloha no nomena ireo mpitandro ny filaminana. Tany Morafenobe no nitrangan’izany saingy vetivety dia tonga taty an-drenivohitra ny tatitra rehefa nametraka fitoriana ilay olona nangalàna vola. Tsy fantatr’ireo olon-dratsy hatreo ny fisian’izany. Rehefa nandeha ny andro dia mbola niverina nitaky ny ambim-bola nifanarahana izy ireo. Tsy hita tao amin’ilay toerana ilay olona ary ireo zandary kosa dia nampanantsoina tany amin’ny kaompaniany ary nanokafana fanadihadiana. Ny alakamisy teo izy ireo no natolotra ny fampanoavana ka nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny fanaparam-pahefana mba hanerena olona hanome vola. Miendrika fandraisana andraikitra lehibe ny tranga toa izao satria dia afaka aloha izany ny kiantranoantrano tamin’ity indray mitoraka ity. Manamarina izany ny fidirana am-ponja vonjimaika nahazo azy roa lahy. Tsara jerena akaiky kosa ny momba ny olona nitory sy ny fiarovana azy satria matetika dia ny fatahorana valifaty no matetika miteraka bahana sy tsy faharisihana ho an’ny olona izay manam-pahavonona ny hitory ny mpitandro ny filaminana nania. Dia misy ny misafidy minia mikipy na koa mandoa izay ilainy mba tsy hananana olana. Endrika firaisana tsikombakomba anefa izany fanekena tsy aminkitsi-po izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici