- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpibizina basy, tra-tehaky ny UIR

Analakely : Mpibizina basy, tra-tehaky ny UIR

Basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala maromaro sy fitoeram-bala no tra-tehak’ireo pôlisin’ny UIR, ny alakamisy maraina lasa teo, teny amin’iny faritra Analakely iny, teny amina lehilahy iray. Nokasainy hamidy sivy hetsy ariary ity fitaovam-piadiana  ity, raha ny fanazavana azo. Nisy ny angom-baovao azon’ireto pôlisin’ny hery vonjy taitran’ny kaomisaria ireto fa misy olona mikasa hibizina fitaovam-piadiana teny amin’iny faritra iny. Napetraka avy hatrany ny vela-pandrika, ary nomena fotoana teo amin’ny tohatohabaton’Ambondrona ilay olona. Ary iny tokoa fa nipoitra ka dia noraisim-potsiny.  Fa talohan’izay dia efa noraisina avy hatrany ny fepetra, ary efa nivonona tanteraka ny amin’iny mety hisian’ny fifanandrinana na ny fifampitifirana ireto pôlisy manokana ireto. Soa ihany  fa nanaiky sy mora nilavo lefona ity olon-dratsy ity. Marihana fa raha ny loharanom-baovao hatrany dia mpiray petsapetsa amin’ilay lehilahy karohina fatratra, mpisoloky sy misandoka ho manamboninahitry ny tafika ity lehilahy ity. Itsy voalohany izay mbola tadiavina hatrany ka hanentanana ireo izay mety ho manam-baovao na zavatra mampiahiahy mba hiantso avy hatrany 034 05 517 22. Omaly moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity rangahy mpibizina basy ity, ary nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici