Efa voafehy ve sa tsy mbola ny pesta? Io avokoa no saika fanontaniana nampisahotaka ireo andian’olona maromaro teny amin’iny farita Isotry, manakaiky ny « rond point be » iny omaly antoandro. Efa nitangorona avokoa ny rehetra tamin’io fotoana io ary nahiana mihitsy aza ny saika ny nisian’ny korontana. Raha ny niandohan’ny zava-nisy tokoa mantsy dia nisy ramatoa iray tokony ho 33 taona any ho any nentin’ny taxi-be iray avy any. Efa tsy nisy aina intsony ity ramatoa ity, ary raha ny fanazavana azo dia toa hoe maty tampoka teny ambon’ilay taxi-be. Fiara mpitatitra mizotra ho any Andoharanofotsy any moa ilay fiara, ary handeha hody ihany koa io ramatoa io tamin’io fotoana io. Ary teny an-dalana no niseho ny tsy nampoizina. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nampidina avy hatrany ny mpandeha tao anatiny ilay fiara. Noho ny maha-mampiahiahy ny zava-nitranga dia narahan’ny pôlisy hatrany ka hatreny amin’iny bmh Isotry ilay fiara, nitondra ny razana sy ny fianakavian’ny maty. Nisy ny fanadihadiana nataon’ireo dokotera tao amin’ity sampan-draharaha ity ary taorian’izay no natao avy hatrany ireo fepetra rehetra takiana amin’ny fahafatesana mampiahiahy ho pesta. Nisy ihany koa ny fitsirahana ny razana, nataon’ireo mpitsabo tao amin’ny bmh, niaraka tamin’ ireo tompon’andraikitri-panjakana misahana ny fiadiana amin’ny “pesta”. Ny fahatongavan’ireo farany no somary nahasanganehana tanteraka ireo mponina teny an-toerana sy nahatonga savoritaka. Teo mantsy ireo natahotra sao ho very faty ny havany, tao ihany koa ireo natahotra fotsiny ny fiparitahan’ity areti-mandoza ity. Raha ny vaovao azo aloha dia mbola sokajiana ho tranga mampiahiahy ny zava-nisy, raha tsy aoriana ny fitiliana eny amin’ny Institut Pasteur. Nilamina ihany ny zava-nisy teny an-toerana rehefa hitan’ny rehetra fa hoe nentina ary naterina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Ampefiloha ny razana.
m.L