- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Gal zandary Gele Serge

Toamasina : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Gal zandary Gele Serge

Miteraka olana goavana eo amin’ny fahefam-panjakana sivily sy ara-tafika, ahitana ny zandary sy miaramila, ny zava-nitranga nandritra ilay famindram-pibaikona natao teo amin’ny araben’ny fahalevan-tena, teo amin’ny zandary sy miaramila, vokatr’ ilay teny feno avona tamina kolonely miaramila iray noho resaka toerana nomena ireo fahefam-panjakana sivily nasain’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fahanginany noho izany ny jeneraly Gellé Serge, lehiben’ny fari-piadidian’ny zadarimariam-pirenena eto Toamasina, sady lehiben’ny Emmo-Far ihany koa, fa “efa nisy filazana mialoha voaraiko, izay efa nampitaiko tamin’ireo tompon’andraikitry ny fety, nefa ireny niarahantsika nahita ireny ny zava-nisy. Fombantsika Malagasy anefa ny fanajana vahiny, izay tsy tongatonga ho azy fa nahazo fanasana ara-dalana, ka tsy mendrika ho an’ny tafika ny zava-nitranga”. Noho izay rahateo no nilazan’ity Jeneraly ity tamin’ireo olombelony nandritra ny fampitam-baovao nataony tamin’ireo borigady manerana ny faritra Atsinanana tao amin’ny “Miramar-Hotel” Salazamay, fa “mila filamatra amin’ny fanajana lalana sy olona ny zandary”. Hafatra hentitra no napetraky ny Jly Gellé Serge ho an’ireo zandary eo anivon’ny faritra Atsinanana sy manerana ny faritan’i Toamasina iadidiany, fa mila manova toe-tsaina sy fihetsika ary manatsara ny fitondrany ny zandary, satria 21 izao ny zandary manerana ny nosy voasazy sy niditra am-ponja ka ny 09 tamin’ireo dia teto Toamasina avokoa, izay tsy afaka hiverina ho zandary intsony. Nomarihany ihany koa fa maro ireo fitarainana voarany mikasika ireo zandary eo ambany fibaikony, eo am-pandinihana ireny fitarainana ireny ny tenany izao ka tsy maintsy hizaka ny vokany izay meloka ary hahazo fankasitrahana kosa ireo nanao ny asany tsara; satria ny tanjona ho an’ny zandary dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny tanindrazana, ka mila fitaratra amin’ny mpiara-monina aminy sy ny vahoaka malagasy ny zandary.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici