- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversNandoro efitranom-pitsarana : Dimy taona am-ponja sazy mihatra

Nandoro efitranom-pitsarana : Dimy taona am-ponja sazy mihatra

Niakatra fitsarana tao amin’ny efitrano misahana ny raharaha ara-keloky ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny alakamisy 16 novambra teo, ilay raharaha nahavoaheloka an’Atoa Razafinantenaina Niola tovolahy 23 taona mpianatra lalana eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina avy any Mandritsara. Ny heloka nataony dia fandorana ny efitranom-pitsaran’ny fitsarana ambony ny 5 septambra lasa teo tokony tamin’ny 9ora teo am-piandrasana fotoam-pitsarana, ka nahamay ny sezan’ny filohan’ny fitsarana sy ny sainam-pirenena tao anaty efitranom-pitsarana, ny antony araka ny fanazavany nandritra fakana am-bavany azy dia noho ny tsy fahavitan’ny fitsarana ny sakaizany izay voaroiroy noho ny tondro molotra tamina halatra. Araka ny fanazavan’ny fitsarana anefa dia natao tamin’io andro io ihany ny fitsarana ity namany ity saingy diso efitranom-pitsarana ity tovolahy ity ka nentim-po tezitra ka izao nanao heloka izao, nefa nandritra ny fivoahana didin’ny fitsarana tamin’io fotoana io dia afaka noho ny fisalasalana ity sakaizany ity. Ny 07 septambra no niakatra fampanoavana izy taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny polisy nisahana ny raharaha ka nampiditra am-ponja vonjimaika azy. Efa tokony tamin’ny 19 oktobra no natao ny fitsarana ny raharaha Razafinantenaina Niola, fa noho ny fitokonan’ireo mpitsara sy ny mpirakidraharaha tamin’izay dia nihemotra ny 19 novambra teo izany fitsarana izany. Tamin’izao raharaha izao amin’ny mpisahana ny fitantanana ny fananam-pitsarana sy ny efitranom-pitsarana, dia ny lehiben’ny mpirakidraharaha ny fitsarana ambony no mpitory tamin’izao raharaha izao. Ny “fandorana ny efitram-pitsarana ambony, ny fanimbazimbana mpitsara sy ny fiandrianam-pirenena tamin’ny fandorana ny sainam-pirenena” no heloka nanenjehana ity tovolahy ity, izay nihaiky ny zava-bitany ka nangataka fifonana sy famelan-keloka noho izy voalazany fa tsy tompon’ny tenany nandritra ny heloka vitany tao amin’ny efitranom-pitsarana ity noho ny zava-pisotro nisy alikaola nisotroany. Raha nivoaka ny didy izay nampanarahan’ny mpitsara nisahana ny raharaha ny fieken-keloka nataony, na tsy nitsitsy fitenenana amin’ny fampiharana ny lalana ny fampanoavana, dia nahazo 05 taona sazy mihatra am-ponjan’Ambalatavoahangy i Razafinantenaina Niola. Tsy fantatra aloha na mbola hampiakatra fitsarana ambony ny tenany fa tsy nahazoana fanazavana ny havany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici