Hagagana ny an’ireo mponina tao Ankirihiry sy “Cite Haras” tamin’ny fahenoana fiara mpamonjy hain-tranon’ny kaominina, tokony ho tamin’ny misasak’alina ny zoma nifoha ny sabotsy teo, tonga namono afo tao amin’ny Bazarin’Ankirihiry tranonjiro. Mitetim-bidy manodidina ny 10 tapitrisa ariary teo ny sandan’ny entana maro, araka ny fanazavan’ny tompony sy nohamafisin’ireo mpivarotra ao amin’ity Bazarin’Ankirihiry tranonjiro ity, nefa tao anatin’ny firehetana dia manodidina ny 40 teo ireo tsena may izay tsy nisy entana fa trano fivarotana fotsiny no maro tamin’izany. Raha ny fanazavan’ireo mpamonjy voina sy hain-trano, izay mbola nohamafisin’ireo mpitandro ny filaminana tonga niaro ny entan’ireo mpivarotra hafa tsy tratran’ny afo sy nanamora ny fiasan’ireto mpamonjy hain-trano tonga namono ny afo, sy ireo mpivarotra nanana ny tsena may, fa tsy mazava ny fomba nahatonga ny firehetana. Fantatra mantsy fa tsy nisy nampiasa afo na ny tao amin’ilay tsena goavana niatombohan’ny afo na ireo mamodidina azy, koa heverina izany fa niniana nodorana ireto tsena may ireto. Ny tena mampanahy ny mpivarotra ao amin’ity Bazarin’Ankirihiry tranonjiro ity ihany koa tamin’izao fahamaizana hafahafa izao, dia ny olana mahazo azy ireo amin’ny antsojay lava ataon’ny mpiasan’ny kaominina tonga maka vola amin’izy ireo isaka izay mahatsiaro. Ny Zoma 17 novambra teo indrindra, dia efa raikitra ny sakoroka teo amina mpivarotra iray sy ny mpiasan’ny kaominina notarihan’ireo “gros bras” tamin’ny fandravana ny fivarotany, fa hoe tsy manara-dalana sy tsy nanaiky nandoa ny vola notadiavin’ireto mpiasan’ny kaominina. Voalaza foana mantsy, fa isan’ny tsy mpanara-dalana amin’ny lalan’ny tsena eto Toamasina ireo mpivarotra. Mitaky ny hanokafana fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mikasika izao raharaha fahamaizana na tsena teo amin’ny 40 tao amin’ny Bazarin’Ankirihiry izao ireo mpivarotra sy ireo tompon’ny tsena may, noho izy ity efa tafiditra amin’ny isan’ny goavana eto Toamasina izao amin’ny fahamaroan’ny mpivarotra ao aminy. Ho hita eo izany ny ho tohin’ity raharaha ity sy izay nahatonga fahamaizana fananan’olona maro izao…
Malala Didier