- Publicité -
dimanche, août 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVatomandry : Tatsambo maorisiana nidoboka am-ponja

Vatomandry : Tatsambo maorisiana nidoboka am-ponja

Tsy nisy taratasy teny amin’ireo tatsambo na ny iray aza. Raha ny filazàn’ireo dia narary tampoka ny mpanamory ilay sambo kely nitondra azy ireo. Voatery ireo namany, izay tsy manana fahaizana amin’izay, no namily ny sambo. Ny niafarany dia nizotra teny amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Telo izy ireo no tao anatin’ny sambo mpanjono ity ary samy notazomin’ny mpitandro ny filaminana avokoa rehefa tsy nisy taratasy. Taratasy izay nolazain’izy telo lahy fa very teny an-dranomasina rehefa nisahotaka ny sambo. Tsy nampino loatra ny manam-pahefana izany satria efa iaraha-mahalala ihany ny fisian’ny fanondranana zava-mahadomelina mivezivezy eo amin’ireo nosy rahavavy ireo. Notazomina ary nanokafana fanadihadiana izy telo lahy noho ny tsy fisian’ny taratasy, na momba ny sambo izany na momba ny olona tao anatiny. Tany amin’ny nosy Maorisy koa dia nihetsika mafy ny havan’izy ireo ary nanatona ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Teo koa dia mbola sarotra ho an’ireo mpanao fanadihadiana ny hino fa tena nisy olana an-dranomasina tokoa ilay sambo dia nizotra tany Madagasikara. Nampitaina tamin’ny Interpol ny zava-nisy ary nalefa tany amin’ny masoivoho roa tonta koa. Tsy nanakana ny fampidirana am-ponja tao Vatomandry izany amin’ny maha-tany tan-dalàna ny firenena. Efa nampitaina amin’ny manam-pahefana avokoa ny kopian’izy telo lahy mba hahafantarana ny momba azy ireo. Nilaza ny hidina aty Madagasikara ny havan’ireo Maorisiana ireo ary hitondra mivantana ny taratasy rehetra ilaina. Isan’ny fanahian’izy ireo ny fisian’ny valan’aretina pesta, satria any ivelany dia mampihemotra tanteraka ny vahiny hiditra eto an-toerana izany. Manahy ireo olona ny momba ilay fidirana am-ponja saingy kosa efa nisy namaly fa milamina tsara ny famonjana ireo telo lahy ary tsy misy tokony ahiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici