Lehilahy iray voalaza fa avy aty Antananarivo mila ravinahitra any Sambava izay mivarotra “clarinette sy esquimo” mandehadeha mitety tanàna no no hita faty omaly naraina tany Sambava. Mpanarato an-dranomasina nampiakatra ny haratony no nieritreritra fa trondro lehibe no tao, ka rehefa nakarina ny harato dia akory ny hagagana sy hatairan’ireto mpiandriaka fa fatin’olona no tao anatiny. Nakarina haingana an-tanety ny razana ary niantso avy hatrany ny tompon’andraikitra ireto mpiandriaka nampahafantatra ny zava-nisy. Araka ny tati-baovao azo dia vao herinandro monja no nahatongavan’ ity lehilahy hita faty izay mipetraka ao amin’ny Fokontany Ambodisatrana ao an-tampon-tanànan’i Sambava. Ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly CHRR Besopaka Sambava ny razana, ka ny andron’ny omaly io ihany dia efa tonga nizaha sy nikarakara ny razana ireo namany sy ny havany. Hatreto mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty an’ity lehilahy ity.
Eric Manitrisa