- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Taxi-brousse nivadika, namoy ny ainy ny mpamily

Ankazobe : Taxi-brousse nivadika, namoy ny ainy ny mpamily

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny ny faran’ny herinandro teo. Taxi-brousse “sprinter” iray no nivadika ambony ambany teo Manankazo, ao amin’ny fokontany Tsiva, eo amin’ny PK 119+500. Vokany, maty teo no eo ny mpamily, olona sivy tamin’ireo mpandeha kosa no naratra mafy vokatr’izany. Ny herinandro teo no nisehoan’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Fiara mpitatitra avy ao amin’ny kaoperativa Ctva ity namoa-doza ity araka ny tatitry ny zandarimariam-pienena. Raha ny fantatra dia vokatry ny fandehanana mafy loatra no nahatonga izany loza izany. Somary mahitsy izay mantsy io lalana io ka alaim-panahy ireo mpitondra fiara handeha mafy. Ny mampidi-doza anefa dia mazana mivaly fiolanana tampoka izany lalana izany. Inoana fa tsy nahatana familiana tamin’io ilay mpamily ka nahatonga ny fiara nivoaka ny lalana ary dia izao niafara tamin’ny fivadihany izao.

Fa tato ho ato ihany koa dia saika nahenoana lozam-pifamoivoizana iny lalam-pirenena faha-25 iny izay mizotra mankany Ranofamana iny. Vao omaly tokoa mantsy dia taxi-brousse handeha hiakatra iray no nifandona tamina fiara tsy mataho-dalana. Tsy nisy ny aina nafoy raha ny fampitam-baovao, saingy nisy kosa ireo naratra. Efa nentina namonjy toeram-pitsaboana moa ireto farany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici