- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : MD ireo sinoa roa tsy nisy taratasy

Maevatanana : MD ireo sinoa roa tsy nisy taratasy

Omaly no natolotra ny fampanoavana ireo sinoa roa lahy nosamborin’ny zandary rehefa tsy nanana taratasy kanefa nivezivezy tamin’ny fiara tamin’ny lalam-pirenena fahefatra. Raha tsiahivina kely dia sady tsy nisy taratsy fahazoan-dàlana hamily ny saofera no koa ny mpandeha nampiasa pasipaoro sandoka sy visa efa lany daty. Teo amin’ny barazy fanakanana fiara no nahatratrarana an’izany, nandritra ny fisavàna taratasy. Tsy fantatra na ny momba ireo sinoa na koa ny anton-diany eto Madagasikara,  noho ny tsy fisian’ny taratasy mihitsy ary koa ny sakana eo amin’ny serasera. Sady tsy mahay miteny gasy na frantsay koa mantsy izy ireo raha araka ny fanamarihana azo. Betsaka loatra ny vahiny tonga eto amintsika ary tsy misy taratasy. Teto an-drenivohitra dia nisy fisamborana faobe teo Analakely sy ny manodidina azy. Ny antony dia satria tsikaritra ny fisian’ny vahiny mibizna finday eny amin’ny kartie maro ary koa mitondra entana mandehandeha toy ny tsy manan-kialofana. Nanaitra ny tompon’andraikitra ihany izany ary tonga tamin’ny fisamborana. Dia voaporofo tokoa fa tsy nisy taratasy izy ireo ary nalefa faran’izay haingana nody tany aminy. Nolazaina aloha hatreto fa pakistanais sy Iranais avokoa ny ankamaroan’ireo. Nolavina hatrany ny hoe Syrien, satria raha vao io no lazaina dia mpitsoa-ponenana avy hatrany no ao an-tsain’ny olona. Tsy misy taratasy araka izay voalaza rahateo ireo olona hatreto ary dia samy malalaka amin’izay handikàna ny fiaviany aloha hatreto. Azo deraina ny ezaky ny mpitandro ny filaminana tato ho ato dia ny fisamborana ireny olona tsy fanta-piaviana ireny. Ny antony dia toa lasa gaboraraka loatra ny fidirana eto amin’ny nosy ary raha tsy misy ny fepetra hentitra dia hiparitaka any amin’ireo firenena misy ady ireo fa i Madagasikara no tena mora hitsoam-ponenana indrindra. Efa azo tsapain-tànana ny ezaka avy amin’ny mpitandro ny filaminana fa kosa mbola mila hamafisina eny amin’ny fadin-tseranana sy ny seranana isan-karazany, satria tsy maintsy avy eny hatrany ireo no mitsofoka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici