Efa manodidina ny zato taona eo no nisian’ny orinasa “Féculerie de Marovitsika” ao amin’ny kaominina Belavabary Distrikan’i Moramanga. Tao anatin’ny taona maro izao vao nivoaka ny fahanganinany tamin’ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety ireo fianakaviana tompony, satria isan’ny orinasa nanana ny lazany sy ny toerana tamin’ny toekarena malagasy izy ity. Ny taona 1902 hatramin’ny taona 2013 izay voatery nampiatoana ny orinasa noho ny fahanterany tamin’ny famokarana tavolo azo avy amin’ny mangahazo nataony, dia tavolo an’aliny taonina isan-taona ny vokatra namidy teto an-toerana sy tamin’ireo nosy manodidina, ka isan’izany ireo orinasa mpamokatra lamba. Ireo vahoaka manodidina no mpamokatra ireo mangahazo tao amin’ny tanin’ny orinasa 5.300ha. Tao anatin’izay anefa dia nanangana trano miisa 700 tamin’ireo vohitra sy zana-tanana miisa fito ho an’ny mpiasany ny orinasa, izay tsy andoavana hofany sy azon’ny taranany ifandimbiasana. Tahaka izany koa ireo tany fambolena sy fiompiana. Amin’ny maha-orinasa nanana ny lazany azy tao amin’ny kaominina Belavabary sy teto amin’ny firenena tao anatin’ny zato taona, dia mikasa ny hanao azy ity ho tranom-bakoka ireo mpitantana azy, mba ho fahatsiarovana sy tantara mipetraka. Na izany aza dia miomana amin’ny fanohizana ny asa ao Marovitsika ireo mpitantanana, ka ny famokarana menaka manitra, ny famokarana ala amin’ny fambolena zana-kazo 70.000 isan-taona ka isan’ny vatsian’izy ireo ny hazo amin’ny andrin-jiro 400 isa eo isan-taona an’ny jirama, ny famokarana kafe « arabica » 10ha isan-taona izay fiaraha-miasa amin’ny orinasa TAF, ary ny famokarana jirofo, izy ireo izao. Ankoatra izay, samy maniry ny hiverenany izy rehetra na amin’ny sehatra hafa aza, satria lasa mivoaka an’i Marovitsika mitady asa ireo tanora.
Malala Didier