- Publicité -
dimanche, août 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Varatra nirefotra tamin’ny trano iray, olona telo mianaka niara-maty

Ihosy : Varatra nirefotra tamin’ny trano iray, olona telo mianaka niara-maty

Vao nilatsaka ny orana dia efa nahao-doza sahady. Namono olona indray ny varatra tamin’ny tapany afovoany atsimon’ny nosy iny. Ny harivan’ny talata teo tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany, telo mianaka no indray niara-namoy ny ainy nilatsaham-baratra tany Mahasoa, Distrikan’ Ihosy. Nikija dia nikija ny orana narahin-kotroka afak’omaly tany an-toerana. Araka ny tati-baovao voaray, dia olona efatra no tao an-trano tamin’io fotoana io, ka ny telo tamin’ireo mpianaka izay maty tsy tra-drano dia nitanina afo teo amorom-patana no tratrin’izao atambo izao. Tsy naninona kosa ilay tovolahy iray 16 taona voan’ny tazo natory teo an-joro firarazana. Raha ny fanatra dia nirefotra tampoka ny varatra ary nilatsaka tamin’ity tokantrano iray ity. Vokatry ny fandalovan’io varatra io, dia vaky tanteraka ny rindrina sy ny tolanam-baravaran’ny trano.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici