- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBesalampy : Sarety latsaka tanaty hantsana, olona iray namoy ny ainy

Besalampy : Sarety latsaka tanaty hantsana, olona iray namoy ny ainy

Sarety iray no namono olona tany amin’iny faritra Melaky iny, afak’omaly alina. Nandriaka ny rà, tao amin’ny kaominina Bekodoka, ao amin’ny distrika Besalampy. Lehilahy, tokony ho 30 taona teo ho eo no maty tsy tra-drano, rehefa niaraka nivarina tamin’ny sarety nentiny tanaty hantsana. Vehivavy iray kosa izay nitondra ny zanany kely no naratra mafy ary mbola ahiana mafy ny ainy amin’izao. Tsy naninona kosa ity ankizikely araka ny fampitam-baovo azo. Araka ny fampitam-baovao azo dia saro-dalana dia saro-dalana tokoa ity kaominina iray ao amin’ny faritra Melaky ity. Tsy misy afa-tsy sarety taritin’omby araka izany no hany fitaovam-pitaterana misy, eny fa na dia manano sarotra ihany aza ny fitondrana izany noho ny lalana. Ireto telo mianaka ireto anefa, tamin’io fotoana io, ambonin’ny lalana ratsy sy mampidi-doza, dia mbola nandeha alina ihany koa. Sendra nisolifatra araka izany ilay sarety ary nivadika. Nipitika vokatr’izay ireo olona teo amboniny, ary samy latsaka tanaty hantsana. Maty teo no ho eo ilay lehilahy mpandroaka sarety, niaraka tamin’ireo omby nitarika izany. Naratra mafy koa ilay ramatoa. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita azy ireo ary niezaka namonjy sy nitondra ilay naratra tany amin’ny hôpitalin’i Besalampy. Marihana fa mbola misy eo amin’ny 100 km miala ny tampon-tanana no misy ity kaominina ity. Nisy avy hatrany moa no fidinan’ireo zandary tany an-toerana nijery ifotony sy nanadihady ny zava-nisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici