- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Mpianatry ny oniversite nahatratrarana menaka rongony 4,5L

Vangaindrano : Mpianatry ny oniversite nahatratrarana menaka rongony 4,5L

Vaovao avy any amin’ny olon-tsotra no nahalalana fa misy olona mivarotra menaka rongony ao an-tanàna . Mpianatra mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy kilasy famaranana (Terminal) no manao izany.

Nandray ny andrikiny avy hatrany ireo zandary raha vao nahare ny vaoavao ka nihodina tany an-toerana. Voasambotra tamin’izany ny olona iray, izay nanambara fa tsy tompony, ka nanoro ireto hafa izay tena tompon’entana.

Natao ary ny fisavana tao an-trano ka hita tao ny menaka 4,5l, tanaty tavoahangy. Rehefa natao ary ny fanadihadiana dia nanaiky ireto mpianatra fa mivarotra izany tokoa. Anisan’ny voalaza  ny hoe avy any Midongy-Atsimo no angalana ireto menaka rongony ireto. Efa eo am-panaovana famotorana moa ny zandary eny an-toerana amin’izay mety ho fisamborana irao olona mpamatsy ity menaka rongony ity.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser