- Publicité SW45 -
mardi, janvier 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomena : Frantsay mpiasan’ny ambasady voatsatoka antsy sy voaendaka

Ambatomena : Frantsay mpiasan’ny ambasady voatsatoka antsy sy voaendaka

Valizy diplomatika no lasan’ny olon-dratsy. Antontan-taratasy maro momba ny asa no tao anatiny, raha araka ny fantatra. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra.

Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo, afak’omaly, no nisy nanendaka ny lehilahy iray, teratany frantsay, izay miasa eo anivon’ny masoivoho frantsay. Nisy roalahy nanaraka izy ary rehefa dify tetsy ambanimbany, mizotra ho any Tsaralalàna, dia notsatohan’ireo antsy ny hatony. Raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia « mallette » iray teny aminy no nalain’ireo olon-dratsy, izay rifatra nitsoaka rehefa vita ny fanendahana. Mbola afaka niantso ny namany ny naratra. Vetivety foana dia tonga ireo niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana ary nitondra ny marary faran’izay haingana teny amin’ny hopitaly. Tsy misy atahorana intsony ny ain’ilay vazaha, raha araka ny fanamarihana hatrany. Rehefa mety ho vazaha izany dia tsy tsara loatra ny mandehandeha harivariva amin’ny toerana maizimaizina. Manintona avy hatrany ny olon-dratsy izany ary tsy misalasala izy ireo mampiasa fitaovam-piadiana mba hangalàna izay mety azo alaina. Ny ao an-tsain’ny olon-dratsy mantsy dia misy vola hatrany any amin’ny vazaha ary misy kojakoja lafovidy ihany koa. Eo Analakely no tena matetika lasibatry ny asan-jiolahy ny vahiny. Ny fakan-tsary raha ho an’ny mpizaha tany. Ny valizy entina kosa raha ho an’ireo miasa eo amin’ny manodidina. Ny indro kely tamin’ity indray mitoraka ity dia mety hisy akony eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny raharaha. Mety hisy indray ny mpanao fanadihadiana manokana avy any ivelany hijery ifotony ny zava-nitranga. Ny tsikaritra mantsy, rehefa misy ny teratany frantsay misy maka an-keriny, tsy misalasala mihitsy ny masoivohon’izy ireo ny manafatra manam-pahaizana manokana amin’ny fanadihadiana. Tamin’ity dia ny olona miasa eo anivon’ny ambaasady mihitsy no voatsatoka antsy, asa raha handeha lalina ny famotorana…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser