Efa maro ihany no nitaraina ny amin’iny afitsok’ireny olona izay mody mivarotra « mangidy » mandehandeha ireny. Toy ny manery mihitsy mantsy ny sasany ary tsy vitan’izay fa misy ireo manendaka sy mamono tsotr’izao. Toy ity nitranga tetsy Ambodivona ity, ny alahady lasa teo. Roa lahy izy ireo, ary mandehandeha mitondra tavoahangy misy ilay ranon-javatra, izay tsy fantatra velively ny ao anatiny, fa sokajiana fotsiny amin’ny hoe « mangidy ». Rehefa avy misotro izany ny olona atonin’izy ireo ka manolotra vola, dia milaza izy ireo fa tsy iny velively ny vidin’ny zavatra nosotroina teo. Mazàna dia manodidina ny eo amin’ny ariary zato eo ho eo ny iray kôpy amin’ity ranon-javatra ity amin’ny ankapobeny. Ny an’ny ankabeazan’ny an-dry zalahy ireto anefa, dia matetika tafakatra any amin’iny diman-jato na arivo, na roa arivo ariary any ho any mihitsy aza, satria lazaina fa manome vokatra hafa, indrindra fa eo amin’ny lehilahy ilay « mangidy ». Araka izany dia ilàn’izy ireo ady ary miafara hatramin’ny fikasihan-tanana sy fanendahana mihitsy. Sendra ny nahay azy anefa ireto roalahy ireto, fa nametraka fitarainana avy hatrany ilay olona voaendaka. Nandray ny andraikiny ihany koa tetsy andanin’izay ireo pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo. Ka roa andro taty aoriana, dia voasambotra teny amin’iny Fasan’ny karàna iny izy roa lahy ireto, rehefa natao ny fikarohana sy ny vela-pandrika. Natolotra ny Fampanoavana omaly ihany moa ireto olon-dratsy mpamandrik’olona amin’ny varotra « mangidy » ireto.
m.L