- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy iray tsy nandoa vola, nosaritahan’ny mpivarotena

Toliara : Lehilahy iray tsy nandoa vola, nosaritahan’ny mpivarotena

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita sy fandre firy no niseho tany Toliara afak’omaly hariva. Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo izay voalaza fa mpamily no nosaritahina mpivaro-tena tao Sanfily, ka afa-baraka tanteraka nigagam-bahoaka.  Araka ny fanazavana azo dia naka tovovavy mpivarotena iray ity lehilahy efa mamomamo, ary 15.000 ariary ny vola nifanarahana. Rehefa vita anefa ny natao dia nanda tsy handoa ny vola rangahy. Tezitra ilay mpampanofa fahafinaretana ka nirarandraraka ny teny ratsy tsy fahaseho masoandro sady notaritaritiny no nodarohana teny imasom-bahoaka ity raim-pianakaviana tsy nanefa ny volany. Raha vao nahita ny zava-niseho ihany koa ireo mpivarotra fitombenana vitsivitsy mpiara-miasa amin’ity tovovavy ity dia niakatr’afo, ary samy namono an’ity lehilahy ity no sady nanery an’ity farany hanome haingana ny vola nifanarahana. Tsy nahatanty ny angaredon’ny adim-borontsiloza sy fitsaram-behivavy rangahy menatra nohorakorahin’ ny olona ka nanaiky ny handoa ny vola, ary naka vola tao anaty fiara nentiny tsy lavitra teo. Akanjo rovitra sy molotra nividana voan-kaitra no nentin’ ity lehilahy sendra ny nahay azy niala teo nitondra ny fiaran’ ny nirimorimo. Misy raha la terre !, hoy kosa ireo mpitazana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici