Ny loza tokoa tsy mampilaza rehefa ho tonga. Zazakely iray vao herintaona sy tapany monja no namoy ny ainy, ny alarobia lasa teo teny amin’iny faritra Ankasina iny. Latsaka tao anaty rano ity zaza ity ary namoy ny ainy nony avy eo. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo no niseho ny loza raha ny loharanom-baovao azo. Nanasa lamba teny amin’iny faritra io ny reniny ary nametraka an’ilay zaza teo akaikiny. Nihodina kely monja, nandeha nanahy ireo lamba avy nosasàna ity renim-pianakaviana ity no niseho tampoka ny tsy nampoizina. Tsy fantatra mantsy izay nahazo ilay zaza, fa nianjera tao anatin’ilay rano nanasana lamba ity zaza ity. Tsy nisy nahita ary tsy nisy akory afaka namonjy. Ilay reniny niverina avy nanahy lamba no nahita azy efa tsy nihetsika intsony sy toa tsy nisy aina intsony tao anaty rano. Nentina novonjena tany amin’iny tobim-pahasalamana haingana, saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa. Nalefa avy hatrany teny amin’iny tranom-paty moa ny razana natao fitsirihana ary efa nomena ny fianakaviana avy eo.
m.L