- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Efa-dahy nanafika « épicerie » nanapoaka basy

Fenoarivo : Efa-dahy nanafika « épicerie » nanapoaka basy

Lasa ny vola mitentina 1,5 tapitrisa ariary. Nobatain’ireo koa ny fitaovana mora entina toy ny « lecteur cd » sy ny finday miisa telo. Tao anatin’izay fotoana izay dia tsy vitan’ny nandrahona tamin’ny basy nentiny ireo jiolahy fa nampiasa izany mihitsy. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihana. Izany no nitranga tao Ambohibary-Fenoarivo ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tokony ho tamin’ny 11 ora. Tsy nijanona teo ihany ireo olon-dratsy fa mbola nitety ny trano fivarotana teo amin’ny manodidina. Vitany ny namaky ny toeram-pivarotana enta-madinika iray hafa saingy efa nanomboka taitra ny olona hany ka tsy nanam-potoana firy handrobana intsony ireo. Vokatr’izany, sigara iray fonosana monja no lasan’ireo tao. Ny olona kosa dia nihorohoro vokatry ny feom-basy ary koa noho ny tahotra sao hiverina indray ireo olon-dratsy. Matetika loatra ny fisian’ny « épicerie » sy « bar » vaky, indrindra amin’ireo toerana manodidina an’andrenivohitra. Eny Ilafy dia saika isan-kerinandro no misy fanafihan-jiolahy ary ireny hatrany no lasibatra. Ny tsikaritry ny olona aza dia olona mitovitovy, mba tsy hilazany hoe mitovy hatrany, no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Vao ny herinandro teo koa no nisy toeram-pivarotana enta-madinika voatafika tany Andramasina ary nampiasa basy hatrany ireo olon-dratsy tamin’izany. Lasa mora loatra ny fanafihana raha vao misy basy ary ny olona koa efa an-kavitsiana sisa no miditra an-tsehatra ka manampy rehefa mitranga ny asan-jiolahy. Isan’ny vahaolana, na an-drenivohitra na any ambanivolo, ny fanasiana ireny mpitandro ny filaminana ireny eny amin’ny faritra iverenan’ny jiolahy matetika, na koa « éléments pré-positionnés ». Na ny fahitàna an’ireo fotsiny aza dia efa mampieritreritra indroa ny jiolahy ary koa raha raikitra ny fanafihana dia mba afaka mampita faran’izay haingana ny zava-misy any amin’ny biraony ireo ka manafaingana ny fidinana an-tsehatra. Tsy mila fitaovana betsaka izany na koa olona marobe fa resaka fandaminana fotsiny…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici