Io indray ! Lehilahy efatra izay voatondro ho jiolahy, nanafika tao amin’ny tanàna iray tany amin’iny distrikan’i Mahanoro iny no nianjeran’ny hatezeran’ny fokonolona. Niafara hatramin’ny famoizan’izy ireo ny ainy mihitsy izany, raha ny fampitam-baovao azo tany an-toerana. Ny zava-nitranga : nitrangana fanafihana tao amin’ny tanànan’Ampasinambo sy Fozabe, samy ao amin’ny kaominina Ambohibonera, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Efa-dahy izy ireo, no voamariky ny fokonolona ho nanao izany fanafihana izany. Noho io tanàna io lavitra andriana sy tobin’ny zandary dia ireo fokonolona tao ihany no samy nanao izay ho afany tamin’ny fiarovana ny fananany sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Satria tsy niafina ihany koa ireo olon-dratsy dia fantatr’ireto fokonolona endrika izy efa-dahy ireto. Andro vitsy monja taty aoriana dia hitan’ireo mponina nihelina teny amin’ny manodidina ny tanànan’Isatrana ireto olon-dratsy ireto. Raikitra teo ny fanenjehana ary dia voasambotra izy efatra ireto. Nentina niakatra tao an-tanàna. Tsy nisy alaharo alaharo fa samy nanampatra ny hatezerany teo avokoa ny rehetra. Ireo mponina rahateo efa leo tanteraka amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana manjaka any amin’io toerana. Tsatoka antsy maromaro no niantefa tamin’izy efa-dahy ireto ary dia io niafara tamin’ny fahafatesana io. Raha ny angom-baovao hatrany dia efa malaza loatra tamin’ny asa ratsy any amin’iny faritra iny ireto voasambotra sy niharan’ny fitsaram-bahoaka ireto. Izay ihany koa no nahatonga ireto fokonolona ho romotra tanteraka. Voalaza aza moa fa dia namela malalaka ny fokonolona hanao izay tiany hatao tamin’ireto efa-dahy ireto, ny ray aman-drenin’izy ireo. Izy ireo moa izay samy mbola tanora fanahy avokoa : manodidina ny 25 taona eo ho eo. Etsy andanin’izay, mbola kilaometatra maromaro amin’ny lalan-dratsy vao misy ny tobin’ny zandary akaiky indrindra, dia ny ao Masomeloka. Ireto farany, izay ny ampitso moa vao tonga tany an-toerana. Nisy avy hatrany taorian’izay ny fanadihadiana nataon’ireto farany.
m.L