- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Lehilahy maty nodonin’ny kamiao

Tanjombato : Lehilahy maty nodonin’ny kamiao

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritry Tanjombato iny, omaly. Lehilahy iray, izay manodidina ny 33 taona teo ho eo no nitsirara teo an-tsisin’arabe, toa efa tsy nisy aina intsony, rehefa avy nodomina fiarabe iray. Araka ny fanazavana azo dia handeha hiampita izy io no nipoitra tampoka ilay fiara, izay somary nandeha mafy ihany koa. Omaly moa andro tsy fiasàna ka dia malalaka ny lalana teny an-toerana, izay nampahazo vahana ny fandehanana mafy. Mafimafy ihany araka izany ny dona nahazo. Ary araka ny angom-baovao dia teo amin’ny lohany no voa mafy. Teo ho no eo ihany dia nentina namonjy toeram-pitsaboana ity rangahy voadona ity. Nanaraka azy teny ihany koa ilay mpamily nitondra ilay kamiao. Kanefa na dia teo aza ny ezak’ireo mpitsabo dia tsy tana ny ainy, noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity, nataon’ireo mpitandro filaminana. Hatramin’ny omaly hariva kosa, raha ny vaovao hatrany, dia mbola tsy nisy fianakavian’ny maty tonga naka ny razana teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici